Luke 14

1Ary indray Sabata, rehefa nankao amin’ny tranon’ny iray tamin’ireo mpitarika ny fariseo hihinana mofo Izy dia nanara-maso Azy akaiky izy ireo. 2Indro, teo anoloany nisy lehilahy iray izay nampijalian’ny edema. 3Jesosy nanontany ireo manam-pahaizana amin’ny lalàn’ny Jiosy sy ireo Fariseo hoe: ‘’Azo atao ve ny manasitrana amin’ny andro Sabata, sa tsia?‘’

4Fa izy ireo dia nangina. Noho izany dia noraisin’i Jesosy izy, ary nositraniny, dia nalefany handeha. 5Hoy izy tamin’izy ireo hoe: ‘’Iza aminareo izay manan-janaka lahy na omby tafalatsaka anaty fatsakana amin’ny andro Sabata no tsy hisintona azy avy hatrany?‘’ 6Izy ireo dia tsy nisy nahavita nanome valiny an’ireo zavatra ireo.

7Rehefa tsikaritr’i Jesosy ny fomba fisafidianan’ireo izay nasaina ny toeram-boninahitra, nanao fanoharana izy, niteny tamin’izy ireo hoe: 8‘’Rehefa asaina amin’ny lanonam-panambadiana ianareo, aza mipetraka eo amin’ny toeram-boninahitra, satria mety nisy olona nasaina mbola manam-boninahitra noho ianareo. 9Rehefa tonga ilay olona izay nanasa anareo, dia hiteny anareo izy hoe: ‘Omeo an’ity olon-kafa ity ny toeranao,’ ary am-pahamenarana no andehananareo hamonjy ny toerana ambany indrindra.

10Fa rehefa asaina ianareo, mandehana dia mipetraha amin’ny toerana ambany indrindra, amin’izay rehefa mandalo eo ilay nanasa anao, dia mety hiteny anao izy hoe: ‘Ry namana, miakara amin’ny ambonimbony.’ Ary avy eo dia homem-boninahitra ianareo eo anatrehan’ireo izay rehetra miray latabatra aminareo. 11Fa ireo izay manandra-tena dia hahetry, ary izy izay manetri-tena dia hasandratra.‘’

12Jesosy ihany koa dia niteny tamin’ilay lehilahy nanasa Azy hoe: ‘’Rehefa manome sakafo na fanasana ianao, dia aza manasa ireo namanao na ireo rahalahinao na ireo akaiky anao na ireo mpanakarena manodidina anao, amin’ny mety hanasany anao koa ho takalon’izany, ary dia ho voavaly ianao.

13Fa rehefa manao fanasana ianao, asao ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ary ny jamba, 14dia ho sambatra ianao, satria tsy afaka hamaly anao izy ireo. Fa ianao dia ho voavaly amin’ny fitsanganan’ny marina.‘’

15Rehefa naheno ireo zavatra ireo ny iray tamin’ireo niray latabatra tamin’i Jesosy, dia niteny taminy izy hoe: ‘’Sambatra izay hihinana ny mofo ao amin’ny fanjakan‘Andriamanitra!‘’ 16Fa Jesosy niteny taminy hoe: ‘’Nisy lehilahy iray nikarakara sakafo lehibe ary nanasa olona maro. 17Rehefa voakarakara ny sakafo, dia naniraka ny mpanompony izy hiteny an’ireo izay nasaina hoe: ‘Mandrosoa, fa ny zava-drehetra dia efa vonona.’

18Izy rehetra dia nitovy saina ary nanomboka nanao fialan-tsiny. Ilay voalohany niteny taminy hoe: ‘Nividy saha aho, ka tokony hivoaka aho ary ijery izany. Miala tsiny aho.’ 19Iray hafa niteny hoe: ‘Nividy omby folo aho, ary andeha hamantatra azy ireo. Miala tsiny aho.’ 20Avy eo nisy lehilahy iray hafa niteny hoe: ‘’Vao avy nampiaka-bady aho, ary noho izany dia tsy afaka ny ho avy aho.’

21Dia tonga ilay mpanompo ary niteny tamin’ny tompony ireo zavatra ireo. Avy eo ilay tompon-trano tezitra ka niteny tamin’ilay mpanompony hoe: ‘’Mandehana faingana eny amin’ireo lalambe sy sakeli-dalana eto an-tanàna dia ento aty ny mahantra, ny mandringa, ny jamba, ary ny kilemaina.’ 22Niteny ilay mpanompo hoe: ‘’Tompo, efa vita izay nobaikonao, fa mbola misy toerana ihany.’

23Hoy ity tompony tamin’ilay mpanompony hoe: ‘’Mandehana eny amin’ireo lalambe sy sisim-boly ary tereo izy ireo ho avy, amin’izay ho feno ny tranoko. 24Fa lazaiko aminareo, tsy hisy hanandrana ny sakafoko ireo lehilahy izay nasaina.‘‘’

25Ary vahoaka maro no nandeha niaraka taminy, ary nitodika Izy ary niteny azy ireo hoe: 26‘’Raha misy aminareo manatona Ahy ary tsy mankahala ny rainy, ny reniny, ny vadiny, ny zanany, ireo rahalahiny sy ireo rahavaviny, ary na ny fiainany aza, dia tsy afaka ny ho mpianatro izy. 27Na iza na iza tsy milanja ny hazofijaliany ary manaraka Ahy dia tsy afaka ny ho mpianatro.

28Fa iza aminareo, izay maniry ny hanangana tilikambo, no tsy mipetraka aloha ary mikajy ny fandaniana raha manana izay ilaina hamitana azy izy? 29Raha tsy izany, rehefa nametraka ny fototra izy nefa tsy hahavita izany akory, dia hanomboka handatsa azy ireo rehetra izay mahita izany, 30manao hoe: ‘Io lehilahy io no nanomboka nanangana kanefa tsy nahavita akory.’

31Na koa mpanjaka inona, raha handeha hifanehitra amin’ny mpanjaka hafa amin’ny ady, no tsy hipetraka aloha ary haka hevitra raha miaraka amin’ny lehilahy iray alina dia afaka hiady amin’ny mpanjaka hafa izay tonga manohitra azy miaraka amin’ny lehilahy roa alina? 32Raha tsy izany, raha mbola lavitra ny tafika hafa, dia mandefa antoko izy ary mangataka fepetra ho amin’ny fihavanana. 33Ka noho izany, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra hananany dia tsy afaka ny ho mpianatro izy.

34Tsara ny sira, fa raha very ny tsiron’ilay sira, ahoana no hiverenany hasira indray? Tsy misy ilan’ny tany azy na dia ny zezi-tany aza. Ariana fotsiny izany. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hiaino.‘’

35

Copyright information for PltULB